Andraikitry ny ray eo amin’ny fitaizana

Somary sahirana izay ny ray rehefa hitaiza zaza. Eo ihany koa ny havizanana moa mety variana hany ka lasa misy
fiantraikany any amin’ireo zanany. Misy ny diso masiaka, ao nu diso tsotra, misy mora sorena ets…Ireto misy fikafika kely ahafahana manarina izany.

– Zanakao io izany hoe tokony ho hainao ny momba azy rehetra.
– Tohano izy amin’ny ezaka ataony

–  Ezaho foana ny manao zavatra miaraka aminy hisian’ny firaiketam-pony aminao, ohatra
manao sary, manao famerenan-desona

-Afaka misangisangy aminy ianao…
– Manokàna fotoana hiarahanareo mivoaka. Mandeha mitsangatsanganana amin’ireny toerana misy kilalao
sy azo hialàna voly ireny.
– Rehefa iny mody ny hariva avy miasa iny dia mitondrà zavatra kely. Mofo, tsakitsaky na kilalao… Fa asio
elanelany ihany ny fanaovana izany. Aleo koa ny reniny mba handray anjara fa aza zarina tolorana loatra.
– Asio lalao hiraisana rehefa mba faran’ny herinandro iny. Ianao ray hatrany no miezaka hisian’ny
fifandraisana eo amin’ny samy zaza aloha.
– Hialao ny mitanila na manao fizarana miangatra fa miteraka lonilony, fankahalana ary alahelo izany.
– Fadio ny mifamaly eo imason’ny zanaka. Ataovy ho anareo mivady irery izany.
– Ny ahenoany fofona “toaka” indrindra indrindra dia ialao.

One thought on “Andraikitry ny ray eo amin’ny fitaizana

  • 22 mai 2019 at 8 h 26 min
    Permalink

    Miarahaba Tompoko
    Misaotra anareo no voalohanteny.
    Zao aho vao nahita ity pejy ity fa tena faly satria misy ny mahasoa dia tsy inona akory fa ny zanaka
    Manohana hatrany izay hetsika hatao
    Te ahafantatra ny fomba atao mba andraisana anjara
    Misaotra ary mankasitraka

    Reply

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *