Ireo fomba mampiteraka na mampipetraka ny zaza ao am-bohoka

Marina fa fomba tsotra sy efa mahazatra ny firaisana ara-nofo rehefa hiteraka saingy mety tsy hipetraka ny zaza na dia eo amin’ny fotoana mahalonaka ny vehivavy aza no manao firaisana. Antony maro no mety hahatonga izany. Mety tsy ampy ny habetsaky ny «spermatozoide»n’ny lehilahy, mety tsy miteraka ny tsirinain’ny lahy na ny vavy. Sarotsarotra ohatra ny ipetrahan’ny zaza raha misy kyste ilay tranon-jazan’ny reny, na koa fibrome na sanatria homamiadana.  Any anaty échographie avokoa no ahitana izany rehetra izany. Noho izany tsy izay rehetra tsy miteraka akory dia momba avokoa, fa ny tena tsara indrindra rehefa misy tranga mampiahiahy dia ny fanatonana mpitsabo no vahaolana fa tsy manao dokotera tena na koa hoe toy izao no nataon’ny olona dia ataonao koa na hoe fanafody izao no nohanin-dranona tamin’izay dia hohaninao koa. Ny resaka anio dia hoe ahoana no atao mba ho bevohoka ?

Firaisana ara-nofo

Fomba fototra mampipetraka ny zaza ny firaisana ara-nofo eo amin’ny fotoana maha lonaka ny vehivavy. Dimy andro ao aloha sy dimy andro aorian’io fotoana mahalonaka ny vehivavy io dia mbola mahabevoka rehefa misy firaisana. Araka izany raha tomombana tsara ny fahasalaman’ny mpivady, raha misy firaisaina amin’ny fotoana lonaka, raha tsy nampiasa fanafody mamono sperme ary tsy nampiasa kapaoty dia mipetraka soa aman-tsara ny zaza. Ny fomba fanaovana azy ? Aiza kosa dia mbola hatoro anao ve ? Fa misy paozy mety mampipetraka kokoa arakaraky ny paozin’ny tranon-jaza sy ny paozin’ny filahiana. Tandremo, raha tamana manao any aoriana, tsy any no mahabevohoka fa diso lalana an !

«Fecondation in vitro» (FIV)
Tsy ny firaisana ara-nofo ihany anefa no fomba hahazoana zaza fa misy ihany koa fomba hafa izay azo atao. Ao ny antsoina hoe fecondation in vitro. Araka izany ity fomba ity dia tsy amin’ny firaisana ara-nofo fa ny tsirinaina vavy sy ny tsirinaina lahy na «spermatozoide» no atambatra amin’ny alalan’ny fecondation in vitro. Izany hoe misy ezaka ataon’ny lahy mamoaka sperme, dia jerena koa ny an’ny vehivavy hoe masaka sy lonaka ve dia atambatra. Ka rehefa mitambatra tsara efa hiforona ho zaza iny dia izay vao hampidirina ao anaty tranon-jazan’ilay reny.  Raha ohatra ka mbola afaka miteraka tsara fa tsy menopause, raha salama tsara ny tranon-jaza, raha salama tsara ny ovaire iray afaka mandray ilay tsirinaina natambatra dia azo atao.  Izay rehetra izany dia eo ambany fanaraha-mason’ny mpitsabo hatrany ary tena ilaina fanaraha-maso tanteraka ny fahasalaman’ny mpivady. Manao andrana na essai matetika ny mpivady te hiroso amin’izany. Satria mety tara ny tsirinaina vavy, mety misy olana kely ny masinina, mety tara ny tsirinaina lahy sns… Dia misy fotoana koa lasa miteraka kambana maro ny mpivady miditra amin’ity safidy ity. Efa misy hopitaly sy dokotera manao izy ity eto fa somary lafo ihany aloha. Rehefa mipetraka ilay zaza na ireo zaza dia eo no lasa olana indraindray. Misy kambana roa, kambana telo na maromaro aza. Dia mety ho sahirana ny reny mitondra raha tsy voaaramaso tsara.

Ny «Mère porteuse « na reny mpitondra zaza

Ity kosa indray dia ny «fecondation in vitro» ihany no anaovana azy fa tsy ao anatin’ny kibon’ny reny fa kibo na vehivavy hafa afaka mitondra. Mety manana olana ara-pananahana na ara-pahasalamana ilay reny na tena safidy tsotra dia izay no anaovany ny FIV miampy mère porteuse. Ny tsirinaina lahy sy tsirinaina vavy an’ireo mpivady ihany noho izany no hatambatra amin’ny alalan’ny fecondation, ary raha efa izay vao ampidirina ao amin’ny tranon-janak’ilay reny hitondra avy eo. Any ivelany no tena misy azy ity. misy firenena manaiky izany fanao izany fa misy mandrara. Eto amintsika dia tsy mbola nahazoana alalana aloha ary raha nanontany tetsy sy teroa izahay dia tsy nahita mihitsy. Tsy maintsy misy ny fifanarahana eo amin’ireo mpivady sy ny reny hitondra ny zanany. Satria raha ny tokony ho izy, dia rehefa teraka ny zaza dia an’ireo mpivady ray aman-dreniny fa tsy an’ilay nitondra sivy volana. Ry zareo mamela manao an’io any ivelany dia mandoa vola be ny  reny mpitondra izay kibo indramina ihany. Mialoha izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy voamarina ara-pahasalamana fa afaka miteraka tsara ireo mpivady ireo, ary tomombana ny fahasalamany na izy mivady na ilay hitondra. Mila arahin’ny mpitsabo maso na ny ray aman-dreny na ny mpitondra mandritra io fotoana io.
Matetika ny olana dia ny ara-bola, tsy mifanaraka ny mpitondra sy ny tompon’ny tsirinaina. Ny olana koa ny fangalarana manao ilay izy nefa voararan’ny lalana. Hany ka rehefa teraka dia lasa tantara lava be hoe zanak’iza marina moa izany ?
Ny seho efa nisy tany ivelany koa dia ilay reny tsy tompon’ny tsirinaina fa mpitondra fotsiny no lasa tia ilay zaza ao an-kibo rehefa manomboka mihetsika iny ilay zaza hany ka tsy mahafoy ilay zaza dia lasa mandositra miaraka aminy.
Karazana seho amin’ity mère porteuse ity koa ny fampiasana ny tsirinaina vavy an’ilay mpitondra fa mety tsy manana intsony ny tena reny na tsy salama. Dia izany hoe tsirin’ain’ny reny mpitondra sy ilay lehilahy vady no lasa zaza. Rehefa vonona ve moa ny saina…

Ny banque de sperme

Raha banque de sang no misy eto amintsika ao amin’ny hopitaly ho an’izay te hanome ra, any ivelany kosa dia efa misy banque de sperme na toerana anatobiana karazana tsirinaina lahy izay manome izany maimaipoana na koa natakalo vola. Voafaritra raha ny tokony ho izy amin’ireny banque de sperme ireny hoe lahy ranjanana, mainty fihodirana no ray ohatra, na sinoa, na fotsy hoditra na fohifohy sns. Sanatria toa tsena izy ity dia mifidy ilay vehivavy hoe toy izao ny sperme tadiaviko.

Ny gynécologue

Ny gynécologue dia dokotera manam-pahaizana mikasika ny fananahana sy ny bevohoka. Mahay manara-maso. Mahay mandinika ny spermatozoide raha ao na tsy ao ny fahasalamany. Tsara raha manatona gynécologue rehefa manomboka tonga fotoana ny vehivavy sy rehefa manao firaisana ara-nofo. Indray mandeha isan-taona  dia ampy raha tsy misy zavatra ahiana. Tsara foana ny mitily dieny mialoha ny taova anaty sao hisy olana rehefa hiteraka. Asany io na lahy na vavy ilay dokotera ka tsy tokony hahamenatra ny mankany. Misy gynécologue am-panjakana izay tsy dia lafo loatra ny sarany mankany fa raha mandeha « spécialiste » miasa tena ianao dia miainga eo amin’ny 15 000ar ka hatramin’ny 80 000ar ny mijery azy any.

Nomena Ravaoarimanana

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *