Ny rano sy ny vatan’olombelona

Ny 60% ny vatantsika dia rano, izany hoe ny atsasa-manilan’ny vatan’olombelona dia rano avokoa, ary mety hahatratra hatramin’ny 75% mihitsy aza izany eo amin’ireo zaza menavava. Ny rano no miantoka ny fifandanjana sy miantoka ny fiasan’ny taova ara-dalàna. Anisan’ny asany ny manary ny loto ao amin’ny taova ary mampitombina ny hafanan’ny vatana. Izy irery  dia ampy hiantoka ny ranoka ilain’ny taova. Tandremo ny rano sotroina satria ny vatana dia manary rano lalandava ka tokony hampifamenoana hatrany ny very. Tokony ho rano iray litatra sy sasany isan’andro no tokony ho sotroin’ny olona iray, indrindra rehefa amin’ny andro mafana, satria mety hisy ny famerazan-drano indrindra eo amin’ny zazakely sy ny zokiolona. Ny fahatsapana hetaheta dia fambara diso aoriana, izany hoe efa tsy ampy tanteraka ny rano izay miasa ao anaty vatana. Aleo misotro ara-potoana, tsikelikely mandritra ny tontolo andro ary mampitombo rano sotroina rehefa miakatra ny mari-pana na rehefa fanatanjahan-tena. Izany anefa tsy midika hoe tsy ilaina ny rano rehefa fotoanan’ny hatsiaka, ilaina foana ny rano na amin’ny fotoana manao ahoana na manao ahoana, fa fotsiny mila ampitomboana ny fisotroana izany rehefa mafana ny andro satria amin’iny vanim-potoana iny dia mamoaka rano betsaka ny vatana na amin’ny faharerahana na amin’ny hatsemboana.

Fantantsika ve ?

Ny ranon’ny vatana dia dia mihavao tanteraka isaky ny fito herin’andro amin’ny alalan’ny rano sotroina.

Ny 77% ny ati-doha dia rano

Ny 80%-n’ny hazokery dia rano

Ny 65%-n’ny hoditra dia rano

Ny 20%-n’ny taolana dia rano

Ny 63%-n-ny rà dia rano

Ny 20%-n’ny tambantsela be menaka dia rano

Loryh Ravolamanantena

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *