Ny toetran’ny faralahy : mihanta, madiditra, miaro

Ny zanaka lehilahy farany no antsoina hoe « faralahy ». Manana ny toetra mampiavaka azy izy ireo. 

  • Fihantana 

Ny faralahy matetika dia be fihantana amin’i dada sy neny raha miohatra amin’ny zokiny .

  • Madiditra

Ny Ray amandreny dia somary mampihanta ny faralahy hany ka lasa madiditra zareo indraindray.

  • Matotra

Na dia eo ary ny fihantana be eo amin’ny faralahy dia misy fahamatorana koa izy. Matotra satria efa misy zoky alaina tahaka dia malaky be ny fianarana rehefa misy zavatra atao.

  • Saro-piaro

Saro-piaro ihany koa ny faralahy satria tsy mahatanty mahita fampihantana ny hafa na ny zokiny. Ohatra fotsiny izao rehefa mahazo akanjo ny zoky dia midongy hividianana koa izy.

  • Be fo

Ny faralahy ihany koa dia be fo rehefa misy tsy fifankazahoana eo aminy sy ny zokiny. Tsy manaiky diso ihany koa ny faralahy. Mbola maro ny toetoetry ny faralahy tsy voalaza fa ireo ny amin’ny ankapobeny.

                                                                                                       R.Navalona

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *